TSIARO MAMY INDRINDRA

tiako raha ianao ...

tsiafoi1 | 09 Desambra, 2008 11:34

tsiafoi1
satriko ho toa anao
ny namako rehetra
tsotra sady tsara fo
sy fanahy ...

toetran'olona maro
no iriko ho toa ny anao...

Ho namako ianao

tsiafoi1 | 09 Desambra, 2008 11:31

boribory anie tany ka tsy maintsy mihaona eto ihany
tsiafoi1

Raha mibaliaka soa ny masoandro

tsiafoi1 | 09 Desambra, 2008 05:57

tsiafoi1
Tompo aminao, miaraka aminao
Ka ny fiainanay mirindra isan'andro
F'Izy no mitantana ny fiainanay...

Katsaho aloa

tsiafoi1 | 24 Aprily, 2008 09:56

tsiafoi1
Moa mba azonao an-tsaina
Zay fahalemen'ny tenanao
Fa ireny no fanoitra...
Hamporisika hikatsaka...
Ilay Hery ambony indrindra
Dia ny Herin'Andriamanitra
Zay mitondra famonjena
Mampahendry, Mampivoatra
Amin'izay ny fiainanao
Ho zary lasa fitahiana
Ho an'izao tontolo izao


Fifankatiavana madio

tsiafoi1 | 22 Aprily, 2008 06:46

tsiafoi1
Tsy afaka haharitra ela ny fifankatiavana raha tsy aseho.

Aoka tsy avela hangasihasy noho ny fahabangan'ny fahalemem-panahy sy ny firaisam-po ny fon'ilay namana mifandray aminao.

Ny Fifampiheverana, Fifampaherezana ary ny Fifandeferana no andry mampijoro ny fifankatiavana.

MIFANKATIAVA IHANY...

tsiafoi1 | 22 Aprily, 2008 06:03

tsiafoi1
Tsarovy fa ny fahasambarana dia tsy ho hita raha mirindrin-tena ao anaty.Hararaoty ny fotoana mety rehetra mba handraisana anjara @'ny fahasambaran'ireo izay manodidina anao. Ny tena fifalian dia tsy mety ho hita raha tsy eo @'ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena.

Ny fahari-po sy ny fiheverana ny hafa dia ahafantarana ny fiteny sy fihetsik'ireo izay tena mivelona @'ny fiainam-baovao.

Fandalovana

tsiafoi1 | 17 Martsa, 2008 06:04

tsiafoi1
Tafatsiry indray ny maintso
Teny amoron-dalana teny
Rako-pelana ny maintso
mavo tena rano iray

De nahafinaritra tokoa
Ka indro aho nipetraka
Ny asa miandry anefa betsaka
Zay nanainga ahy hiserana

De nitsangana nalaina
zary tonga tonga saina
Hay FANDALOVANA tokoa
Ny hatsarana...,
sy ny fahatanorana...


Mamy anie ny zanaka e!

tsiafoi1 | 04 Martsa, 2008 15:30

tsiafoi1
Avy eto anilako
de etsy ho sakambiniko
ary ho fihiniko,
tsy hanalavitra ahy
f'andrao nareo mania
ka hanahirana ahy...

Raha tojo fahoriana
Jereko ampitsikiana
F'ianareo no fioitra
mampijoro mampitraka
Hanatrarako ny tanjona
'Lay Kanana hotratrarina

Miala-voly

tsiafoi1 | 04 Martsa, 2008 14:44

tsiafoi1
Fihavanana tsy rava ny anay
Fa madio sy mamiratra foana
Tsarovy aky e...

nindraminay zay hira zay
hiarahanay mihira hatrany
ka izao no faniriana
Fihavanana doria...
Raha mbola miaina ety

Hery miasa mangina

tsiafoi1 | 04 Martsa, 2008 10:29

tsiafoi1
Tian'ny ankizy (eo @'ny 5 -10taona) ny fisakaizana, ary mahalana izy no mahita fahafinaretana samirery. Maniry ny firaisam-po sy fanehoam-pitiavana izy ireny.
Heveriny fa hahafinaritra an-dreniny koa izay mahafaly azy, na de toa tsy misy heviny firy aza izany, koa dia zary zavatra mandeha ho azy ny eo aminy ny fizarany izany fifaliana kely, na alahelo kely izany.
Aoka ary tsy handratra ireo fo kely mora tohina ireo ny reny, ka tsy ho rototra @'izany. Ny fijery feno fankasitrahana, teny indraim-bava mankahery na filazan-tsoa, dia ho hery miasa mangina ao am-pon'ny ankizy, hahasambatra sy hampioitra azy ireo mandritra ny andro.

Fitaizana

tsiafoi1 | 04 Martsa, 2008 09:57

tsiafoi1
Raha mbola kely re ny zaza
De ampianaro hihevitra ny hafa
Zaro hahay handà ny tenany,
hampifaly sy hanampy,
na ny zoky na ny zandriny

Ny toe-tsaina mahay manompo
feno halemem-panahy,
omban'ny fafoizan-tena
Izay no aro-fenitra omena

Fitaizana

tsiafoi1 | 04 Martsa, 2008 09:33

tsiafoi1
Aoka hanatona an'Andriamanitra ny reny mitondra ny fahasahiranan-tsainy mba ahitany ny fahasoavana tandrify izay ilainy hanampy azy eo amin'ny fihahiana sy fitaizana ny zanany.
Midanadana ho an'ny reny rehetra maniry hametraka ny enta-mavesany eo an-tongotry ny Mpamonjy ny varavarana, araka ilay teny hoe :"Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana, fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra" Marka 10:14

Ny fialan-tsasatra fanafody

tsiafoi1 | 04 Martsa, 2008 09:07

tsiafoi1
Raha nisy zavatra natao nandaniana hery tafahoatra loatra, dia hisoroka aretina mafy indraindray ny fialana sasatra tanteraka mandritra ny fotoana vitsivitsy..

Miala sasatra

tsiafoi1 | 04 Martsa, 2008 08:21

tsiafoi1
Rehefa vizaky asa
tsisy toy ny miala sasatra
mitsilany etsy sy eroa
afa-bizana tokoa

indray takariva kely izay

tsiafoi1 | 04 Martsa, 2008 08:12

tsiafoi1
vizaky ny asa izahay
de aleo mitsotra,
miala sasatra
mandra-piandry
vary ho masaka

Anaka !...

tsiafoi1 | 20 Martsa, 2007 11:44

Lahy tokana aman-tany
zay tsaroana hatrany hatrany
Andry iray ianteherana
raha mby ny fahanterana ...
tsiafoi1

Ry Sombinaiko ...

tsiafoi1 | 13 Martsa, 2007 08:51

Sady tiana no lalaina,
ianao ry sombinaina

ho anao indrindra
no hanokafana ity
ho fahatsiarovana mitoetra
ho an'ny taranaka rehetra
.

tsiafoi1

TONGA SOA !

tsiafoi1 | 07 Martsa, 2007 11:42

Faly mandray anao tonga soa eto amin'ny "Tsiaro Mamy indrindra"...

Tsarovy fa mandalo isika eto an-tany, f'izay "Tsiaro Mamy indrindra", dia hitoetra mandrakariva ao am-pon'ny taranaka mandimby...

Mazotoa ary, Tsiky kely eo am-pametrahana izany !

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb