TSIARO MAMY INDRINDRA

Categorie: Ankapobeny

tiako raha ianao ...

satriko ho toa anao ny namako rehetra tsotra sady tsara fo sy fanahy ... toetran'olona maro no iriko ho toa ny anao...

Ho namako ianao

boribory anie tany ka tsy maintsy mihaona eto ihany

Raha mibaliaka soa ny masoandro

Tompo aminao, miaraka aminao Ka ny fiainanay mirindra isan'andro F'Izy no mitantana ny fiainanay...

Katsaho aloa

Moa mba azonao an-tsaina Zay fahalemen'ny tenanao Fa ireny no fanoitra... Hamporisika hikatsaka... Ilay Hery ambony indrindra Dia ny Herin'Andriamanitra Zay mitondra famonjena Mampahendry, Mampivoatra Amin'izay ny fiainanao Ho zary lasa fitahiana Ho an'izao...

Fifankatiavana madio

Tsy afaka haharitra ela ny fifankatiavana raha tsy aseho. Aoka tsy avela hangasihasy noho ny fahabangan'ny fahalemem-panahy sy ny firaisam-po ny fon'ilay namana mifandray aminao. Ny Fifampiheverana, Fifampaherezana ary ny Fifandeferana no andry mampijoro ny fifankatiavana.

MIFANKATIAVA IHANY...

Tsarovy fa ny fahasambarana dia tsy ho hita raha mirindrin-tena ao anaty.Hararaoty ny fotoana mety rehetra mba handraisana anjara @'ny fahasambaran'ireo izay manodidina anao. Ny tena fifalian dia tsy mety ho hita raha tsy eo @'ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena. Ny...

Fandalovana

Tafatsiry indray ny maintso Teny amoron-dalana teny Rako-pelana ny maintso mavo tena rano iray De nahafinaritra tokoa Ka indro aho nipetraka Ny asa miandry anefa betsaka Zay nanainga ahy hiserana De nitsangana nalaina zary tonga tonga saina Hay FANDALOVANA tokoa Ny...

Mamy anie ny zanaka e!

Avy eto anilako de etsy ho sakambiniko ary ho fihiniko, tsy hanalavitra ahy f'andrao nareo mania ka hanahirana ahy... Raha tojo fahoriana Jereko ampitsikiana F'ianareo no fioitra mampijoro mampitraka Hanatrarako ny tanjona 'Lay Kanana hotratrarina

Miala-voly

Fihavanana tsy rava ny anay Fa madio sy mamiratra foana Tsarovy aky e... nindraminay zay hira zay hiarahanay mihira hatrany ka izao no faniriana Fihavanana doria... Raha mbola miaina ety

Hery miasa mangina

Tian'ny ankizy (eo @'ny 5 -10taona) ny fisakaizana, ary mahalana izy no mahita fahafinaretana samirery. Maniry ny firaisam-po sy fanehoam-pitiavana izy ireny. Heveriny fa hahafinaritra an-dreniny koa izay mahafaly azy, na de toa tsy misy heviny firy aza izany, koa dia zary...

Fitaizana

Raha mbola kely re ny zaza De ampianaro hihevitra ny hafa Zaro hahay handà ny tenany, hampifaly sy hanampy, na ny zoky na ny zandriny Ny toe-tsaina mahay manompo feno halemem-panahy, omban'ny fafoizan-tena Izay no aro-fenitra omena

Fitaizana

Aoka hanatona an'Andriamanitra ny reny mitondra ny fahasahiranan-tsainy mba ahitany ny fahasoavana tandrify izay ilainy hanampy azy eo amin'ny fihahiana sy fitaizana ny zanany. Midanadana ho an'ny reny rehetra maniry hametraka ny enta-mavesany eo an-tongotry ny Mpamonjy ny...

Ny fialan-tsasatra fanafody

Raha nisy zavatra natao nandaniana hery tafahoatra loatra, dia hisoroka aretina mafy indraindray ny fialana sasatra tanteraka mandritra ny fotoana vitsivitsy..

Miala sasatra

Rehefa vizaky asa tsisy toy ny miala sasatra mitsilany etsy sy eroa afa-bizana tokoa

indray takariva kely izay

vizaky ny asa izahay de aleo mitsotra, miala sasatra mandra-piandry vary ho masaka

Anaka !...

Lahy tokana aman-tany zay tsaroana hatrany hatrany Andry iray ianteherana raha mby ny fahanterana ...

Ry Sombinaiko ...

Sady tiana no lalaina, ianao ry sombinaina ho anao indrindra no hanokafana ity ho fahatsiarovana mitoetra ho an'ny taranaka rehetra .

TONGA SOA !

Faly mandray anao tonga soa eto amin'ny " Tsiaro Mamy indrindra"... Tsarovy fa mandalo isika eto an-tany, f'izay "Tsiaro Mamy indrindra", dia hitoetra mandrakariva ao am-pon'ny taranaka mandimby... Mazotoa ary, Tsiky kely eo am-pametrahana izany !
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb