TSIARO MAMY INDRINDRA

Fandalovana

tsiafoi1 | 17 Martsa, 2008 06:04

tsiafoi1
Tafatsiry indray ny maintso
Teny amoron-dalana teny
Rako-pelana ny maintso
mavo tena rano iray

De nahafinaritra tokoa
Ka indro aho nipetraka
Ny asa miandry anefa betsaka
Zay nanainga ahy hiserana

De nitsangana nalaina
zary tonga tonga saina
Hay FANDALOVANA tokoa
Ny hatsarana...,
sy ny fahatanorana...


Mamy anie ny zanaka e!

tsiafoi1 | 04 Martsa, 2008 15:30

tsiafoi1
Avy eto anilako
de etsy ho sakambiniko
ary ho fihiniko,
tsy hanalavitra ahy
f'andrao nareo mania
ka hanahirana ahy...

Raha tojo fahoriana
Jereko ampitsikiana
F'ianareo no fioitra
mampijoro mampitraka
Hanatrarako ny tanjona
'Lay Kanana hotratrarina

Miala-voly

tsiafoi1 | 04 Martsa, 2008 14:44

tsiafoi1
Fihavanana tsy rava ny anay
Fa madio sy mamiratra foana
Tsarovy aky e...

nindraminay zay hira zay
hiarahanay mihira hatrany
ka izao no faniriana
Fihavanana doria...
Raha mbola miaina ety

Hery miasa mangina

tsiafoi1 | 04 Martsa, 2008 10:29

tsiafoi1
Tian'ny ankizy (eo @'ny 5 -10taona) ny fisakaizana, ary mahalana izy no mahita fahafinaretana samirery. Maniry ny firaisam-po sy fanehoam-pitiavana izy ireny.
Heveriny fa hahafinaritra an-dreniny koa izay mahafaly azy, na de toa tsy misy heviny firy aza izany, koa dia zary zavatra mandeha ho azy ny eo aminy ny fizarany izany fifaliana kely, na alahelo kely izany.
Aoka ary tsy handratra ireo fo kely mora tohina ireo ny reny, ka tsy ho rototra @'izany. Ny fijery feno fankasitrahana, teny indraim-bava mankahery na filazan-tsoa, dia ho hery miasa mangina ao am-pon'ny ankizy, hahasambatra sy hampioitra azy ireo mandritra ny andro.

Fitaizana

tsiafoi1 | 04 Martsa, 2008 09:57

tsiafoi1
Raha mbola kely re ny zaza
De ampianaro hihevitra ny hafa
Zaro hahay handà ny tenany,
hampifaly sy hanampy,
na ny zoky na ny zandriny

Ny toe-tsaina mahay manompo
feno halemem-panahy,
omban'ny fafoizan-tena
Izay no aro-fenitra omena

 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb