TSIARO MAMY INDRINDRA

Katsaho aloa

tsiafoi1 | 24 Aprily, 2008 09:56

tsiafoi1
Moa mba azonao an-tsaina
Zay fahalemen'ny tenanao
Fa ireny no fanoitra...
Hamporisika hikatsaka...
Ilay Hery ambony indrindra
Dia ny Herin'Andriamanitra
Zay mitondra famonjena
Mampahendry, Mampivoatra
Amin'izay ny fiainanao
Ho zary lasa fitahiana
Ho an'izao tontolo izao


Fifankatiavana madio

tsiafoi1 | 22 Aprily, 2008 06:46

tsiafoi1
Tsy afaka haharitra ela ny fifankatiavana raha tsy aseho.

Aoka tsy avela hangasihasy noho ny fahabangan'ny fahalemem-panahy sy ny firaisam-po ny fon'ilay namana mifandray aminao.

Ny Fifampiheverana, Fifampaherezana ary ny Fifandeferana no andry mampijoro ny fifankatiavana.

MIFANKATIAVA IHANY...

tsiafoi1 | 22 Aprily, 2008 06:03

tsiafoi1
Tsarovy fa ny fahasambarana dia tsy ho hita raha mirindrin-tena ao anaty.Hararaoty ny fotoana mety rehetra mba handraisana anjara @'ny fahasambaran'ireo izay manodidina anao. Ny tena fifalian dia tsy mety ho hita raha tsy eo @'ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena.

Ny fahari-po sy ny fiheverana ny hafa dia ahafantarana ny fiteny sy fihetsik'ireo izay tena mivelona @'ny fiainam-baovao.
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb