TSIARO MAMY INDRINDRA

Fifankatiavana madio

tsiafoi1 | 22 Aprily, 2008 06:46

tsiafoi1
Tsy afaka haharitra ela ny fifankatiavana raha tsy aseho.

Aoka tsy avela hangasihasy noho ny fahabangan'ny fahalemem-panahy sy ny firaisam-po ny fon'ilay namana mifandray aminao.

Ny Fifampiheverana, Fifampaherezana ary ny Fifandeferana no andry mampijoro ny fifankatiavana.

MIFANKATIAVA IHANY...

tsiafoi1 | 22 Aprily, 2008 06:03

tsiafoi1
Tsarovy fa ny fahasambarana dia tsy ho hita raha mirindrin-tena ao anaty.Hararaoty ny fotoana mety rehetra mba handraisana anjara @'ny fahasambaran'ireo izay manodidina anao. Ny tena fifalian dia tsy mety ho hita raha tsy eo @'ny fanompoana tsy misy fitiavan-tena.

Ny fahari-po sy ny fiheverana ny hafa dia ahafantarana ny fiteny sy fihetsik'ireo izay tena mivelona @'ny fiainam-baovao.
 
Accessible and Valid XHTML 1.0 Strict and CSS
Powered by LifeType - Design by BalearWeb