Mamy anie ny zanaka e!
tsiafoi1 | 04 Martsa, 2008 15:30
Avy eto anilako
de etsy ho sakambiniko
ary ho fihiniko,
tsy hanalavitra ahy
f'andrao nareo mania
ka hanahirana ahy...
Raha tojo fahoriana
Jereko ampitsikiana
F'ianareo no fioitra
mampijoro mampitraka
Hanatrarako ny tanjona
'Lay Kanana hotratrarina
Miala-voly
tsiafoi1 | 04 Martsa, 2008 14:44
Fihavanana tsy rava ny anay
Fa madio sy mamiratra foana
Tsarovy aky e...
nindraminay zay hira zay
hiarahanay mihira hatrany
ka izao no faniriana
Fihavanana doria...
Raha mbola miaina ety
Hery miasa mangina
tsiafoi1 | 04 Martsa, 2008 10:29
Tian'ny ankizy (eo @'ny 5 -10taona) ny fisakaizana, ary mahalana izy no mahita fahafinaretana samirery. Maniry ny firaisam-po sy fanehoam-pitiavana izy ireny.
Heveriny fa hahafinaritra an-dreniny koa izay mahafaly azy, na de toa tsy misy heviny firy aza izany, koa dia zary zavatra mandeha ho azy ny eo aminy ny fizarany izany fifaliana kely, na alahelo kely izany.
Aoka ary tsy handratra ireo fo kely mora tohina ireo ny reny, ka tsy ho rototra @'izany. Ny fijery feno fankasitrahana, teny indraim-bava mankahery na filazan-tsoa, dia ho hery miasa mangina ao am-pon'ny ankizy, hahasambatra sy hampioitra azy ireo mandritra ny andro.
Fitaizana
tsiafoi1 | 04 Martsa, 2008 09:57
Raha mbola kely re ny zaza
De ampianaro hihevitra ny hafa
Zaro hahay handà ny tenany,
hampifaly sy hanampy,
na ny zoky na ny zandriny
Ny toe-tsaina mahay manompo
feno halemem-panahy,
omban'ny fafoizan-tena
Izay no aro-fenitra omena
Fitaizana
tsiafoi1 | 04 Martsa, 2008 09:33
Aoka hanatona an'Andriamanitra ny reny mitondra ny fahasahiranan-tsainy mba ahitany ny fahasoavana tandrify izay ilainy hanampy azy eo amin'ny fihahiana sy fitaizana ny zanany.
Midanadana ho an'ny reny rehetra maniry hametraka ny enta-mavesany eo an-tongotry ny Mpamonjy ny varavarana, araka ilay teny hoe :"Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana, fa an'ny toa azy ny fanjakan'ny lanitra" Marka 10:14